Zazakely iray no nisy nanary tao an-davapiringan’ny fiangonana
Tao anaty lavapiringan’ny fiangonana iray tao Amboarafy fokontany Tambikandrefana, faritry Fianarantsoa no nanarian’ireo tsy mataho-tody ity zazakely ity, izay manodidina ny enim-bolana. Olona iray sendra nandalo naheno tomanin-jaza no nahita sy naka ity zaza izay efa mihosona maloto tanteraka.
Noraisin’ireo mponina teny an-toerana an-tanana ny fanadiovana ity zaza ity. Mifanesy tato ho ato ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona. Efa tsy mifidy toerana anaovana izany intsony ny olombelona, misy ireo alevina antsokosoko, ariana anaty tatatra fanariana maloto. Tsy misy hasiny amin’ny maha olombelona intsony ny habibiana atao amin’izy ireo. « Tokony mbola tsy hiroso amin’ny fiterahana ireo tanora manana tokan-trano raha toa mbola tsy vonona amin’ny famelona ireo dimby sy fara. Efa misy sady mamaimpoana ny fandrindram-piterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana ko entanina ny rehetra hanantona eny fa hahazo fanazavana mahakasika izany » hoy i Maria, renim-pianakaviana.
« Ny zanaka no harena, indrisy fa toa tsy tsapan’ireo ray aman-dreny sasany ny maha zava-dehibe ny zanaka. Zavatra mahavariana eto amintsika, ireo olona mahazo tarana manary izany, ireo tsy afaka ny hiteraka noho ny fahasalamana indray nefa mandany vola aman-karena hahazoana dimby sy fara » hoy Dr Fanilo. « Melohin’ny lalàna tanteraka ny herisetra atao amin’ny zaza, Tsy tompon’ny aina isika olombelona noho izany tsy manana fahefana amongotra ny ain’ny mpiara-belona amintsika. Tsy haintsika amin’ny maha olombelona antsika ny mampitombo na manena ny andro iainana » hoy i Mandimby, mpandinika fiaraha-monina. Tsy fantatra mazava ny antony nanosika ireo ray aman-dreny hanary ireo menaky ny ainy, ekena fa miaina anaty fahasahiranana lalina isika ankehitriny fa tsy tokony ho noho izany no hamoizana ny zanaka.
Efa maro ireo akany mitaiza zaza sahirana sy kamboky mitsangana eto Madagasikara ka tokony haterin’ireo ray aman-dreny any amin’ireo akany ireo ny zaza raha toa tsy vitany intsony ny mamelona azy. Mampahonena tanteraka ny toe-tsaina hananan’ireo ray aman-dreny manary zanaka. Ho ambakain’ireo biby izay lazaina fa tsy manan-tsaina, saingy mahavita miaro ny taranany ve isika olombelona ?
Haingotiana Andriamihaja
