ActualitésTsidika

Masindray : Nisy ny hetsika famaranana ny taona niarahan’ny ekipan’ny Ecofoot sy ireo mpiara-miombon’antoka

Notanterahina ny zoma 16 novambra lasa teo teny amin’ny sekoly François de Salle Imerintsiadino, kaominina Masindray, ny fiarahan’ny ekipan’ny Ecofoot, ny mpiaramiombonantoka sy ireo zandry ho famaranana ny hetsika nandritry ity taona ity sy nanamarihana ny fetin’ny noely.

« Toy ny tamin’ny fiarahana farany dia natomboka tamin’ny fanaovana tombana sy fifaninanana baolina kitra ny fihaonana. Taorian’izay kosa dia niroso tamin’ny fizarana sy tomban’ny tsirairay mikasika ny traikefa sy zavatra norantovina na tamin’ny hetsika Eco na ny hetsika Foot nandritra izay herintaona niantseharana izay » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny ecofoot.

« Samy naneho ny heviny ireo zandry, ireo zoky mpandrindra sy mpampiofana ary ny mpiaramiombonantoka. Nivoitra tamin’izany ny fitomboan’ny fahalalana mikasika ny fikajiana ny tontolo iainana, ny fahaiza-miaina sy fifanajana eo anivon’ny fiaraha-monina, ny fanamafisana ny traikefa amin’ny baolina kitra sy ny maro hafa » hoy hatrany ny tompon’andraikitra.

Narahina fizarana fanomezana ho an’ireo ankizy izay beazina ao anatin’ny fikambanana moa izany hetsika izany, raha ny voalaza hatrany, izay maneho hatrany ary manamafy ny fanaovana baolina kitra miara-dalana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary fampiharana ireo fihetsika mikajy ny tontolo iainana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire