ConseilTsidika

Torohevitra : Fomba hatao hialana amin’ny tsembo-tanana matetika

Tsy aretina akory ny tsembo-tanana fa toe-batana. Rehefa mafana ny andro dia mivoka daholo ny hatsembohana amin’ny vatana rehetra. Manorisory izy io, ary miteraka tsy fahazoana aina indrindra amin’ny fotoana iray hiarahabana olona iray manan-kaja. Maro ny antony mahatonga ny tanana ho mora tsemboka, anisan’izany ny fiasan-tsaina be loatra, ny fitomboan-danja mihoatra ny tokony ho izy, ary mety ihany koa hoe manaraka izy io. Misy ihany koa anefa ny fomba azo atao hialana amin’izany.

Ny torohevitra tsotra indrindra dia ny manasa tanana matetika, tsy mampiasa savony amin’izay fotoana izay satria ny savony dia misy ilay singa iray mampitombo ny sela mpamoaka hatsembohana. Azo atao ny mampiasa voasary makirana, fomba iray izay mbola tsy hita ziay maharatsy azy aloha hatreto. Silahana ny voasary makirana iray ary hosorana amin’ny tanana izany. Ny voasary makirana izay efa fantatra fa mitondra singa manamaina ny hatsembohana. Eo ihany koa ny karbonaty levonina anaty rano ary iny rano iny no hanasana ny tanana. Tandremana ny tanana amin’izay fotoana izay tsy ho tafiditra any ambava satria somary ratsiratsy ny tsirony. Mora ihany koa ny maka ravina rambiazina (sauge), ary iny no kosikosehina amin’ny tanana matetika.

Manahirana ny tsembo-tanana rehefa sendra fotoana iray tsy azo ialana izay. Raha alavitra trano fidiovana sy hadino ny nitondra « mouchoirs » na « lingettes » dia azo hatao tsraa ireo torohevitra ireo rehefa any an-tokantrano.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire