Masindray : Fandraharam-potoana ho an’ny fanazara-tena sy lalao baolina kitra ho an’ny klioba Buffalo
Mitohy hatrany ny fandaharam-potoanan’ireo ekipa mpilalao baolina kitra avy ao amin’ny klioban’i Buffalo Masindray. Ankoatra ny fanazaran-tena, efa misy ireo lalao izay handraisan’izy ireo anjara manomboka ny sabotsy ho avy. Miandrandra vokatra tsara hatrany ireo ekipa mandritra ireo lalao izay hiseho.
« Anio zoma manomboka amin’ny 02 ora tolakandro ny fanazara-tena D1 eny anmin’ny kianja Masindray. Ao an-kianja ihany, ny andron’ny sabotsy no hanaovana ny lalao mandroso Ligy Taninketsaa an’ny sokajy U10/U13/U15/U17, izay hanomboka amin’ny 09 ora maraina. Ny ekipa Buffalo Masindray sy ny Strongest Bevalala no hifandona mandritra izany » hoy ireo tompon’andraikitra.
« Mbola hitohy hatramin’ny Alahady faha 30 ny volana Oktobra ny lalao baolina kitra. Hisy lalao Challenge U17 orange, hanomboka amin’ny 10ora sy 50 min, izay hatao eny amin’ny kianja Masindray hatrany. Lalao izay hifandonan’ny ekipan’ny Buffalo sy ny Elgecoplus » hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.
Mampandray anjara ny sokajin-taona rehetra ny klioban’i Buffalo amin’ny lalao ara-panatanjahan-tena baolina kitra. Misy hatrany ny ezaka amin’ny fanazaran-tena ho fiantrehana ireo lalao miseho. Ilaina ihany koa anefa ao anatin’izany ny fanohanana ireo ekipa amin’ny lalao samihafa tahaka izao.
Manitra Ramanantsoa
