Fifidianana : Ho araha-maso ny vola hampiasain’ireo antoko politika mandritra ny fifidianana
Dépêche 28 octobre, 13h, Nanambara ny avy ao amin’ny Service de renseignement financier de Madagascar (SAMIFIN) fa ho arahi-maso ireo lelavola ho ampiasain’ireo antoko politika rehetra mandritra ny fifidianana, tafiditra amin’izany ny famelabelaran-kevitra. Mila fahamailoana izany noho izy io izay tena hampiasana vola be mihoatra ny tokony ho izy mihitsy. Matetika dia mamofopofona famotsiam-bola hatrany ny fifidianana ka mba hialana amin’izay no anton’izao fanaraha-maso izao hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
