Dépêches

Petite Vitesse : Mangataka ny hiverina hivarotra eny ireo mpivarotra 

Dépêche 23 décembre, 14h, Noho ny fandaminana izay natao teo amin’ny fari-piadidiana ny tanànan’Antananarivo dia nohesorina teny amin’ny lalana Petite Vitesse ireo mpivarotra maro be izay nanery ny lalana teny. Nangataka tamin’ny filohan’ny Repoblika anefa izy ireo ny mba hahafahany miverina mivarotra eny raha sendra nandalo tamin’iny lalana iny ny Filoha. Marihina anefa fa mbola afaka mivarotra hatrany ireto mpivarotra ireto fa miditra ao anatin’ny tsena izay efa nasaiam-pandaminana. Izany no natao mba hisian’ny fandriam-pahalemana sy ny hialana amin’ny fitohanana ka tsy mety kokoa ve raha manaraka ny fandaminana ho tombontsoan’ny rehetra.

Laisser un commentaire