ActualitésTsidika

Famokarana : Mitentina 12 000 tapitrisa ariary ny vola ilaina hiadiana amin’ny valala

Miverina mahazo ny mpamboly isan-taona ny andiam-balala izay tena manimba voly tokoa. Mampihena ny famokarana zainy ka tsy maintsy misy ny ady hatao amin’izany isan-taona. Manodidina ny velaran-tany mirefy 150 440 ha no efa voaaro raha ny tamin’ny taona 2021-2022. Mirefy 300 000 ha kosa ny tany mbola tokony ho arovana amin’ity taona manaraka ity.

« Mitentina 12miliara ariary ny vola ilaina hiarovana ny fambolena manodidina ny 300 000 ha ny refiny amin’ny andiam-balala. Ireto biby kely ireto izay tena manimba ny voly sy ny famokarna satria rehefa tonga izy ireo dia tsy misy intsony ny fikafika hialana aminy fa miandry izay fotoana hialany fotsiny ihany », hoy ny avy ao amin’ny sampana mpamono valala eto Madagasikara.

« Hatramin’izay ny fandringanana ireto valala ireto dia nandaniana vola hatrany. Mifangaro amin’ny fomba nentim-paharazana ihany koa izany izay hita fa fomba iray tsy mampandray andrikitra sy tsy mitandro ny tombontsoa iraisana tahaka ny fiarovana ny tontolo iainana. Ity taona vaovao ity no hitadiavana vahaolana maharitra mba tsy hisian’ny fiverimberenana be loatra amin’ny fomba fiasa intsony ary ihany koa hampihenana ny valala izay mety hitombo foana », hoy kosa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, nitondra ny fanazavana.

Nivoitra nandritra ny atrik’asa izay nitadiavana vahaolana mahakasika ny andiam-balala ny mahakasika ny fototra vaovao entina miady. « Tsy mety intsony ireny fomba taloha ireny fa ny fiady vaovao dia ny mampandray anjara ny rehetra indrindra fa ireo voakasika mba hahafahana manitsy haingana sy maharitra ny toe-javatra izay efa misy. Hanolotra ny fitaovana ilaina amin’ny ara-teknika sy ara-teknolojia ary ihany koa hanampy olona manam-pahizana amin’izany sehatra izany », hoy ny solontenan’ireo mpandray anjara tamin’ny atrik’asa.

Olana iray miteraka ny tsy fahafahana amin’ny famokarana ny valala. Manana adidy ny hikaroka ny vahaolana maharitra amin’izany ny fitondram-panjakana hanatrarana ny tanjona mahakasika ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. 

Miora Raharisolo

RépondreRépondre à tousTransférer

Laisser un commentaire