ActualitésTsidika

Ady amin’ny tsy fandrim-pahalemana any Antanifotsy

Efa betsaka ny ezaka hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara. « Vahaolana maharitra mba hahazahoanay vahoaka antoka fa mandry fahalemana ny tany no ilainay » hoy ny tanora iray nanodidina an’Antanifotsy iny. Ny 24-25-27 jona 2021 lasa teo mantsy dia nanao fanentanana tamin’ireto fokontany dimy ny Zandary izay notarihan’i Gendarme Principal Hors Classe (mitovitovy amin’ny adjudant chef) Raharimalala Joselius, miasa ao Antanifotsy, izay nahitana ny Fokontany Malavolona, Fokontany Morarano 3, Fokontany Ambalavao, Fokontany Ambatovaventy Est, Fokontany Ambatovaventy Ouest, izay samy ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra sy distrika Antanifotsy.

Tonga nanotrona izany famoriana fanentanana izany Ny Sefo fokontany sy ny « quartier mobile » isam-pokontany, ny andrimasom-pokonolona rehetra, ny ray aman-dreny lehibe tamin’ireo tanana ireo, Ny fokonolona. Tsara ny tahaka izao satria efa mila mampijaly anay loatra ny tsy fandraim-pahalemana aty hoy ny fokonolona iray nanatrika izany. Nibahana ny fotoana tamin’nizany ny firesahana ny fiambenana isan-tanana, fanoratana ny vahiny tonga eo an-tanana ao anaty Bokim-bahiny, fanomezana loharanom-baovao ara-potoana, fizarana ny laharana maitso 119 sy ny laharana ahazoana ny zandary, ny fanajana ny fepetra sakana amin’ny  Covid-19.

Noresahina ihany koa ny fahadiovana isan-tanana sy ny fanaovana lava-piringa ary ny ady atao amin’ny doro tanety. Nanome toky ny Zandary nandritra izany fa hanakaiky hatrany ny vahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire