ActualitésTsidika

Rabesandratana Eric : Nahafa-po ny vokatra azon’ny Barea 

Nilaza ho afa-po tamin’ny vokatra azon’ny Barea i Rabesandratana Eric, mpanazatra ny ekipam-pirenena. Azony lazaina ho tsara ny vokatra nandritra izay 7 volana nitantanany ny ekipam-pirenena izay.

« Afa -po tamin’ny asa nataoko aho nandritra izay 7 volana nitantanako ny ekipam-pirenena izay. Mbola vonona hanohy ny asa hatrany ary vonona ho mpanazatra hatrany » hoy i Rabesandratana Eric, mpanazatra notendren’ny FMF. « Ny volana Jona izao dia hanomboka indray ny fifanintsanana CAN 2023. Miezaka hatrany manatratra ny tanjona isika amin’ny tontolon’ny baolina kitra » hoy ny avy ao amib’ny Federasiona.

Raha tsiahivina dia faharesena efatra, ady sahala iray, ary fandresena iray no azon’ny Barea nandritra ny nitantanan’i Rabesandratana Eric ny ekipam-pirenena. Antenaina mba ho lasa lavitra hatrany ny firenena amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire