Miandry ny seho an-tsehantra ataon’ny tarika Mahaleo ny mpankafy
Isan’ny mpanakanto manana ny lazany teto Madagasikara hatrany ivelany ny tarika Mahaleo. Isan’ireo mpanakanto tranainy ary nitety vanim-potoana maro izy ka hatramin’izao dia mbola ohatra velona ho an’ireo tarika namany satria dia faty tokoa no nisarahana.
Matetika mantsy misara-bazana ny mpanakanto amin’ny tarika iray ka samy mandeha irery fa ny tarika Mahaleo kosa tsy nisaraka mihitsy raha tsy noho ny fahafatesana. Raha tsiahivina ny tantara, tao Antsirabe no niforona ny tarika tamin’ny taona 1970 ka fito izy ireo teny am-piandohana. Nandalo ny olana sy ny ady mafy teto amin’ny firenena izy toy ny tamin’ny May 1972 saingy mbola nanohy hatrany ny kantony. Ankehitriny, i Dama sy i Bekoto sisa no no mbola velona ary miezaka hatrany ny hamelona ny tarika. Hisy ny hetsika sy fampisehoana ho karakarain’izy ireo eny Antsahamanitra amin’ny volana Novambra izao. « Tonga dia ny tarika Mahaleo mihitsy no ho aseho ao mandritra io fotoana io fa tsy izay hira mampiavaka an’i Dama akory na i Bekoto ary mbola vohizinay hatrany ireo sangan’asan’ny tarika amin’io fotoana io ho fanomezam-boninahitra ireo namanay » hoy i Dama sy i Bekoto.
« Na lasa aza izy 5 miralahy mianaka dia tsy miova ny fankafizanay ny tarika Mahaleo fa hanohana azy ireo foana izahay, ary amin’izao fotoana izao mihitsy aza no tena hanehoana ny fankafiazana ny tarika » hoy i Bruno, raim-pianakaviana mpankafy ny tarika Mahaleo. « Vakoka lehibe ho antsika ny tarika satria maro ny fahatsiarovana nolalovan’ny firenena noraiketiny an-kira, reharehan’ny nosy izy ireo ary harena lehibe mihitsy aza » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Mbola anatin’ny alahelo ny atrika satria vao volana vitsy izay no nandao azy ireo i Charle na i Andrianaivo Charle-Bert raha maty ny 5 aogositra lasa teo izay Mpitendry aponga maroanaka tao amin’ny Tarika, mpandinika fiaraha-monina, mpanao gazety. Fotoana mihitsy izao hanaovana tsiaro ireo namany ary hinoana fa eo lalandava isika mpankafy.
Nicole Rafalimananjara
