Ambohimangakely : Nozaraina nofon-kena mitam-pihavanana ireo sahirana sy beantitra
Nanolotra nofonkena mitam-pihavanana ho an’ireo olona sahirana sy beantitra miisa 6 000 ny Kaominina Ambohimangakely. Toerana enina samihafa no hanaovana ny fizarana ao anatin’ny Kaominina.
« Efa manakaiky tokoa ny fety. Mahafaly anay ny manoloatra nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny olona sahirana sy beantitra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Eny Ambohimahitsy sy Antanambao, Ambohimangakely, Betsizaraina, Centre Fafiala ary Behintsy no toerana hanaovana ny fizarana » hoy ny mpanolotsaina ny kaominina. « Mankasitraka ny ben’ny tanàna amin’izao fizarana izao. Sarotra ho anay sahirana tokoa ny mba hihinana hena iznay amin’izao fety izao. Tsy nataonareo ambanin-javatra anefa izahay fa nizaranareo sakafo ho hery hiatrehana ny fety » hoy i Margerette, zokiolona ao Ambohimangakely.
Samy manao hetsika hizarana hafaliana ho an’ny mponina ao aminy tokoa ny kaominina tsirairay ao Avaradrano amin’izao fety izao. Ny tsara tokoa no fankan-tahaka mba ho entina hampandrosoana ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
