DépêchesTsidika

Fandriam-pahalemana: Hatao azo lambo i Papaga, mpangaro-paosy teny Besarety

05 Oktobra, Tao aorinan’ilay tranga fanendahana omaly teny Besarety, tao anaty fiara fitateram-bahoaka, dia hanaovana fikarohana i Papaga, mpangaro-paosy tao anaty fiara, nandratra mpandeha iray. Sady nampihorohoro ny mpandeha no nangaro-paosy ary koa nandratra olona, ity lehilahy ity. Marihina fa ao anaty fikambanan-jiolahy izy. Manao antso avo ireo mpitandro ny filaminana araka izany, ary manentana ny maro hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana.

Laisser un commentaire