Inde :Tondra-drano Miaramila 23 tsy hita popoka
Niteraka tondra-drano tao amin’ny lohasahan’ny Farihin’i Lhonak any amin’ny fanjakana be tendrombohitra avaratra atsinanan’i India, any Sikkim, ny oram-be tampoka, ka miaramila Indiana 23 no tsy hita popoka. Araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia nanao ny fikarohana sy famonjena ireto miaramila ireto. Lavon’ny rano koa ny fiara, hoy ny tatitry ny tranokala Lefigaro.fr. Io faritra be tendrombohitra mitoka-monina io dia eo akaikin’ny sisin-tanin’i India sy Nepal. Eo am-pototry ny glacier no misy ny Farihy Lhonak, akaikin’i Kangchenjunga, tampon’isa fahatelo avo indrindra eran-tany. Araka ny filazan’ny manampahefana Indiana, dia 4,5 metatra ny haavon’ny Reniranon’i Tista noho ny mahazatra noho ny firohondrohon’ny rano avy amin’ny tohodrano iray. Indrisy fa fahita any India ny tondra-drano sy ny fihotsahan’ny tany, ka miteraka fahasimbana lehibe, indrindra mandritra ny monsoon, ny volana Jona ka hatramin’ny Septambra. Na izany aza, amin’ny volana oktobra dia mihena ny orana.
