SocialTsidika

Tontolo Iainana : Miakatra be ny tahan’ny fahaloton’ny rivotra eto an-drenivohitra

Mihoatra avo efatra heny na avo dimy heny amin’ny tokony ho izy ny tahan’ny fahalotoan-drivotra eto an-drenivohitra.  Tsy tokony hihoatra ny 25ug/m3 ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra.

« Ny fandotoana ny tontolo iainana dia isan’ny mitondra voka-dratsy ho an’ny fahasalamana. Isan’ny nisafidianana ny lohahevitra hoe « antoky ny fahasalamantsika ny Tontolo iainanantsika », nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana tamin’ny farany teo » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.  « Mihoatra ny fenitra nomen’ny OMS ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto an-drenivohitra. Indrindra nanomboka ny volana septambra, oktobra ary novambra lasa teo » hoy ny lehiben’ny sampan-draharaham-pikarohana ao amin’ny sampana mpamatatra ny toetry ny andro, Rakotomavo Zonandrianina.

Efa an-dalam-pikarakarana ny tondrozotra amin’ny ady amin’ny fahalotoan’ny rivotra ireo tomponandraikitra voakasika amin’izao. Tompon’andraikitra ihany koa anefa isika vahoaka, izay tokony tsy hanao hetsika manimba ny tontolo iainana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire