Mananara Avaratra : Jiolahy telo nandroba Sri-Lankais
Jiolahy telo no nandroba teratany Sri-lankais iray tao Mananara Avaratra. Vehivavy mpiasa amin’ny hotely iray no nahatsikaritra izany ka nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Tonga ara-potoana ny polisy telo ary mpitandro filaminana telo. Sri-Lankais, 58 taona mipetraka amin’io hotely fandraisam-bahiny io hatramin’ny volana jolay no lasibatra ireo jiolahy tamin’izany.
Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso, tany amin’ny 12 ora sasany alina no nitranga ny fanafihana. Jiolahy mirongo fitaovam-piadiana no namaky ny varavaran’ny efitrano nitoeran’ity Sri-lankais. Raha vantany vao tafiditra izy ireo dia nanambana ity farany tamin’ny antsy ary naka ireo sakosy. Nitsoaka avy hatrany izy ireo vao lasany ny entana. Nanenjika azy ireo ny mpitandro filaminana.
Voarohirohy ao anatin’izao raharaha izao moa ny mpandika tenin’ity Sri-lankais ity nohon’ny resaka nofanaovany tamin’ny mpiasa antrano ny alin’ny fanafihana. Araka ny nambaran’ity teratany Sri-Lankais voaroba ity, lasan’ireo jiolahy ireo ny vola mitentina 3 tapitrisa ariary ary ny pasipaorony.
Mbola mitohy moa ny fanadihadihana mahakasika ity raharaha ity.
Sitraka Rajaonarivony
