Rwanda : Nahitana karazan-dramanavy noheverina efa lany tamingana tao an-toerana
Karzan-dramanavy antsoina hoe « chauve-souris en fer à cheval de Hill » na antsoina amin’ny anarana siantifika hoe « Rhinolophus hilli » no hita tao Rwanda indray. Noheverin’ireo siantifika efa lany tamingana ity biby ity tao anatin’ny 40 taona izay efa tsy nahitana azy intsony.Tsy nahitam-baovao intsony ity biby avy aty Afrique ity ka nosokajian’ny UICN (Union internationale pour la conservation de la nature) tao anatin’ny lisitry ny biby tandindomin-doza ny taona 2021 teo.Tao amin’ny alan’ny Nyungwe tao Rwanda no nahitana azy indray, BCI (Bat Conservation International), ONG mpiaro ny ramanavy avy tao Texas no nahita azy indray taorian’ny 10 andro nikarohany. Hafakely ny tarehin’ity biby ity ka mora avahana amin’ireo ramavy hafa izy.
