ActualitésTatitra

Italie : Noraiketina ao amin’ny lalam-panorena ny fiarovana ny tontolo iainana

Nandritra ny fifidianana izay nosokajiana ho nanan-tantara ny fiandohan’ny volana febroary teo dia noraiketin’Italie tao amin’ny lalam-panorenany ny fiarovana ny tontolo iainana. « Miaro ny tontolo iainana (environnement), ny zava-manan’aina (biodiversité) ary ny « écosystème » ny repoblika mba hiarovana ny taranaka ho avy» dia anisany fehezanteny voarakitra ao anatin’izany.Voasoratra ao ihany koa fa ny hetsika ara-toekarena tsy miankina rehetra dia tsy tokony hitondra fahasimbana ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. « Dingana lehibe izany natao izany » hoy ny minisitry ny tetezamita ekolojikan’i Italie. Nanamafy izy fa tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana fototr’Italie ihany ny fiarovana ny tontolo iainana ary tokony hiorenan’ny lalàna ho avy sy ny lalàna taloha ihany koa izany.Marihina fa firenena fahatelo voakasik’indrindra ny fiovan’ny toetry ny andro ao Europe i Italie. Nahafaty olona 21 600 ary nandaniana vola 90 lavitrisa euros izany tao anatin’ny 40 taona. Efa nahatratra 49 degre ihany koa ny maripana tao aminy, tao Sicile ny taona lasa teo.

Laisser un commentaire