Port-Berger : Hisy ny tatitra ampahibemaso ataon’ny mpitondra amin’ny vahoaka
Hanao tatitra ampahibemaso momba ny volan’ny kaominina ao Port-Berger ny ben’ny tanàna androany. Ireo vola nampiasaina nandritra ny taona no ho hanaovana tatitra amin’izany.
« Manasa ny vahoakan’i Boriziny tsy ankanavaka mba ho tonga hiatrika izany fanaovana tatitra izany mba hisian’ny mangarahara » hoy i Rina, mponina ao Port-Berger. « Ho fametrahana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny volan’ny kaominina‚ volam-bahoaka, no anton’izany » hoy i Adolphe Fiarema, ben’ny tanàna ao Port-Berger. « Ity no tatitra mivantana ampahibemaso voalohany mikasika ny fitantanam-bolan’ny Kaominina teto Sofia » hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao amin’ny Faritra Sofia.
Tsara tokoa ny hisian’ny mangarahara eto amin’ny firenena mba hisian’ny fampandrosoana. Tokony hahay hifandray sy hifanakalo hevitra tokoa ny mpitondra sy ny vahoaka.
Nicole Rafalimananjara
