ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Miara-nientana amin’ny fanamboaran-dalana ny fokonolona

Ny faran’ny herinandro teo no niroso tamin’ny fanamboaran-dalana sy ny tetezana ao Ambohitrangana, kaominina Talata Volonondry, ireo fokonolona tao an-toerana. Fandraisana anjara mavitrika no sady fanehoana ny firaisan-kina no nasehon’ireo fokonolona tamin’izany.

« Mahavelom-bolo tokoa ny fandraisana andraikitra sy ny fiaraha-miasa tahaka izao. Ny kaominina ihany koa dia anisan’ny nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanomezana vato sy simenitra ary tohana ara-tsakafo mba hamitana ny asa » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Anisan’ny mampiavaka ny ety ambanivolo ny fifanomezan-tanana tahaka izao raha te hanatsara ny fananana iombonana. Ny mponina tena mbola miray hina ary mibanjina tanjona iray ka miara-mandroso. Hisaorana ny rehetra sy ny mpanohana satria hery entina mamita ny asa iasa izany » hoy i Doda, mponina ao Talata Volonondry.

Ny avy amin’ny kaominina Talata Volonondry moa dia anisan’ny manao ezaka hatrany amin’ny fanomezan-danja ny firaisan-kina. Ity farany izay antoky ny fampandrosoana eny ifotony, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire