ActualitésTatitra

Etats-Unis : Mikasa hampiasa olona 125 000 ao i Amazon

Nanambara ny Amazon ny talata teo fa handray mpiasa 125 000 ao Etats-Unis ho eo amin’ny « logistique ». Efa nampilaza handray mpiasa an’arivony avy amin’ny firenena maneran-tany ihany koa izy ireo roa herinandro tao alohan’io fanambarana io. Asa maharitra na amin’ny fotoana voafaritra no atao amin’izany raha ny fanazavana, ao amin’ny tobin’entana na eo amin’ny fitaterana. Tsy nanome fanamarihina ny amin’ny fotoana handraisana ny mpiasa kosa izy ireo.Manombaka amin’ny 18 dollars isan’ora hatramin’ny 22,50 dollars ny karaman’ireo mpiasa ho raisina ireo, miakina amin’ny toerana misy azy. Marihina fa 15 dollars isan’ora ny karaman’ireo mpiasan’ny Amazon tamin’ny taona 2018. Mikarakara hetsika fampirantiana tamin’ny « visioconférence » izy ireo ho an’i Amérique du Nord ary ny alakamisy ho an’i Europe sy Asie.

Laisser un commentaire