Nofidiana ireo handrafitra ny mpitantana ny FJKM
Anisan’ny ho tanterahana amin’izao synoda faha-19 izao ny fifidianana ho filoha sy ny mpiandraikitra foibe FJKM. Efa fantatra kosa ny 17 aogositra lasa teo fa i Andriamahazosoa Irako ihany no filoha, izay nahazo vato 198 tamin’ireo mpifidy miisa 268.
Taorian’io kosa, 18 aogositra, no nisafidianana ny mpikambana handrafitra ny mpiandraikitra ny birao foibe izay nahitana ny filoha lefitra roa avy amin’ny laika sy ny mpitandrina, eo ihany koa ny mpitam-bola sy ny mpanolo-tsaina. « Miandry ny fifidianana amin’ny fotoana hafa kosa ny fidianana ny sekretera jeneralin’ny FJKM sy ny tonia samihafa » hoy ny tompon’andraikitra.
« Mila olona vaovao hatrany ny fitantanana mba hahitana traikefa maro ary izay hita fa tsara kosa dia tokony ho tazomina » hoy i Augustine, mpino kristianina eo anivon’ny fiangonana FJKM. « Asan’Andriamanitra izany ka tokony ho atao am-panompoana hatrany an’Andriamanitra no manaraka ny sitrapony hatrany » hoy ny mpifidy iray nandritra ny synoda. Matoky tanteraka ny olom-boafidy ireo Kristianina fa hitondra avo hatrany izany fivavahana prostetanta izany izy ireo.
Nicole Rafalimananjara
