ActualitésTsidika

Fahasalamana : Hampiditra ny haitao ara-kajimirindran’ny fitantanana ny Institut d’Hygiène Analakely

Manana vina ny hampiditra ny « digitalisation » ahafahana mitantana ny hopitaly ny Centre Hospitalier Universitaire de Soins et de Santé Publique Analakely (CHUSSPA) na ny Institut d’hygiène Sociale Analakely. Ity hopitaly ity izay mandray marary 300 hatramin’ny 500 isa isan’andro. Ahafahana manatsara ny fandraisana ny marary moa izany fanovana ho entina izany noho ny fahamaroan’ireo marary ireo.

« Maro be ireo marary tsy maintsy raisina isan’andro ary efa manana ny isa tsy maintsy raisiny avy ny dokotera tsirairay. Ny tanjon’ny digitalisation dia ny fahasalamana manakaiky vahoaka sy ny fanamorana ny fisitrahany izany. Mila hamboarina tsara ihany koa izany fitantanana izany noho ny fitsaboana izay mizara roa, misy ny handoavam-bola ary misy ny tsy handoavam-bola ka ny marary no misafidy izay halehany », hoy ny dokotera Rakotomalala Vololona, talen’ny CHUSSPA.

« Tena izany mihitsy izao no ilaina satria misy fikorontanana hatrany ny eny amin’io hopitaly io isaky ny makeny. Amin’ny 4ora maraina dia efa misy milahatra kanefa tsy mahazo laharana akory dia voatery miverina indray ny andro manaraka, dia mbola toy izany hatrany. Etsy andaniny anefa ny dokotera tena hitokisana amin’ilay aretina mety ao ihany no tena ahitana ilay spécialiste. Mety hanamora ny fitsaboana io ka afaka handray olona maromaro ny hopitaly sady hanamora ny fandaminana ihany koa », hoy i Rindra, renim-pianakaviana.

Marihina fa nankalaza ny faha 90 taonany ny alakamisy teo ny Institut d’hygiène Analakely ka nandritra izany no nanambarana ity fanovana ity. Miavaka amin’ny hopitaly hafa moa ity hopitaly ary ahitana ny « consultation spécialisée » rehetra ao aminy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire