Fiompiana : Mametraka paik’ady maro hampiroboroboana ny fiompiana tantely ny Ministera
Manana paik’ady maro hampiroboroboana ity fihariana iray ity ny Ministera. Ny tanjona amin’izany moa dia ahafahana mampaharitra ny fisian’izany bibikely tantely izany. Manana anjara asa lehibe amin’ny tontolo iainana ny tantely izay bibikely mpamindra vony ka mpampivady ny zava-maniry. Araka izany dia tokony harovana sy hampitomboana izy ireny hiantohana ny fahatsaran’ny tontolo iainana. Izany indrindra no antom-pisian’ireto paik’ady isan-karazany hampiroboroboana azy ireto.
« Voalohany amin’izany ny fametrahana ny toerana ahafahana mamokatra reny tantely. Ao ihany koa ny fizarana tohon-tantely moderina miisa 1 000 000 aparitaka manerana ny faritra eto Madagasikara sy ny fanentanana amin’ny fampiasana ireo toho-tantely ireo. Hampiofanina ara-teknika sy hotolorana fampitaovana ny mpiompy. Hofehezina ny aretina varoa ary hampintomboana ny famokarana tantely biolojika, izay efa an-dalàna ny fandaniana ny lalàna ho amin’izany, izay be mpitady ihany koa », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny MINAE, Fanja Raharinomena.
« Tsy vitan’ny Ministera irery ity asa ity indrindra moa ireo paik’ady maro be ireo. Afaka miara-miasa amin’ny mpiompy eny ifotony izy ireo raha ilaina izany. Ny tena mpisehatra manko no tena mahita ny filàna sy ny fomba fiady fa tsy ho vita eny ambony latabatra io. Ity sehatra ity anefa tena mbola azo hivelarana tsara mihitsy », hoy i Telina, mpiompy tantely.
Anisan’ny efa fandrisana anjaran’ny fanjakana hampiroborobo ny fiompiana ity fanampiana ny fiompiana tantely ity. Misy sehatr’asa hafa amin’ny fiompiana ihany koa any ho any miandry tosika ka tokony hojerena akaiky.
Miora Raharisolo
