Ririnina : Mifanandrify amin’ny volana asorontany eto Madagasikara
Misy vanimpotoana efatra eto Madagasikara raha toetr’andro manaraka ny lamina ara-boajanahary, ny Fararano, ny Ririnina, ny Lohataona ary ny Fahavaratra. Ny « Ririnina » dia vanimpotoana mangatsiaka, mamanala eto Madagasikara.
Ara-tsiantifika, misy isa-taona ny ririnina. Ny rivotra mangatsiaka mitsoka avy any andranomasina atsimo atsinanan’i Madagasikara no miteraka ny ririnina eto Madagasikara. Eo amin’ny faran’ny volana jona sy jolay manontolo no ivon’ny ririnina izay mitohy mihalefy hatramin’ny tapaky ny Septambra.
Napetraky ny Ntaolo amin’ny zoro efatra ireo vanimpotoana 4 ireo. Ny ririnina avy amin’ny rivotra mangatsiaka any atsimo atsinanan’i Madagasikara dia eo amin’ny zoro atsimo atsinanana no misy ny zoron’ny ririnina. Tsy mikisaka ho any amin’ny zoro Atsimo Andrefana na zoro avaratra andrefana na zoro avaratra atsinanana ny ririnina. Mijanona eo amin’ny zoro atsimo atsinanana.
« Zoro Asorotany » koa no fiantson’ny Ntaolo ny Zoro Atsimo Atsinanana, tsy kisendrasendra fa ao antony. Tsy mikisaka ho amin’ny zoro hafa ny Zoro Asorotany fa mijanona eo amin’ny zoro Atsimo Atsinanana. Ny Asorotany izay sady anaran’ny volana iray amin’ny volana 12 amin’ny taona no anaran’iray amin’ireo renivintana 4 amin’ny vintana 12 koa. Raha ny tetiandro dia sady manaraka ny lamina ara-boajanahary no manara-bolana eto Madagasikara dia mifanandrify amin’ny volana asorotany isataona ny atin’ny ririnina eto Madagasikara. Eo amin’ny faraparan’ny volana jona mahazo ny volana jolay gregoriana izany. Tsy mikisaka ho amin’ireo vanimpotoana lohataonana fahavaratra na fararano ny volana asorotany. Mijanona eo anatin’ny vanimpotoan’ny ririnina hatrany isa-taona izy.
Ny 30 jona 2022 teo no niandoha ny volana Asorotany, ary hifarana ny 28 jolay 2022 raha ny tetiandro manaraka ny lamina ara-boajanahary sy manara-bolana eto Madagasikara.
Nicole Rafalimananjara
