Tatitra

Afrique : Gumboot, dihy nianga tany am-pitrandrahana

Karazana dihy afrikanina atao miaraka amin’ny kiraro baoty fingotra ny « Gumboot ».Manao kiraro toy izany avokoa ireo mpandihy azy ary manaraka soradihy ambony zava-maneno dobohana sy hira.

Tao Afrique du Sud no niandohan’io dihy io tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Nandritra ny ady tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra teo anivon’ireo mpitrandraka mainty hoditra no nisehoan’izany. Nataon’izy ireo omba fiserasera tsy an-teny io dihy io tany am-piandohana izay natao tamin’ny fifampikasoana singa samihafa, baoty, rojo, tany ary rano.

Lasa endrika fitakiana izany taty aoriana ary niparitaka tamin’ny firenena hafa manerana an’i Afrique. Voasokajy ho dihy nentim-paharazana sy zava-maneno « idiophone » izany amin’izao fotoana ary lasa kolontsaina.

Laisser un commentaire