ActualitésTatitra

Etats-Unis : Mpitsara iray no ahiahiana ho namono ny vadiny

Niatrika ny fitsarana tao Los Angeles ao Californie ny talata teo ny mpitsara Jeffrey Ferguson, 72 taona manoloana ny raharaha famonoana ny vadiny. Nandritra ny fotoana nisamborana io mpitsara io dia hita fa notifirina basy teo amin’ny tratrany ny vadiny ary basy 47 isa sy bala 26 000 ihany koa no hita nandritra izany.

Namofona alikaola i Jeffrey Ferguson tamin’ny fotoana nisamborana azy hoy ny tompon’andraikitra. Adin’ny mpivady kosa no niandohan’io vono olona io raha ny fanamafisana. Tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga dia finanditra tao amin’ny toeram-pisakafoana mihaja Anaheim izy mivady ireo ary nitohy tany an-trano izany ka niafara tamin’ny famonoana olona.

Marihana fa i Jeffrey Ferguson ihany no niantso ny mpamonjy voina saingy tsy nety niaiky izy fa izy no nitifitra ny vadiny. Nandefa hafatra nilaza ny marina tamin’ny mpiraki-draharaha sy vadin-tany nefa ny tenany. Nilaza kosa ny mpisolovava azy, Paul Meyer nandritra ny fitsarana azy fa tsy niniana io fitifirana io.

Laisser un commentaire