Ambohimangakely : Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona
Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Ambohimangakely, tao amin’ny lalana antsoina hoe « Bekisoa », ny alin’ny zoma faran’ny herinandro teo. Araka ny voalaza, kodiaran-droa iray no nidona avy any aorian’ny kamiao, naratra ilay mpitondra azy ka rehefa avy nentina namonjy hopitaly, nahazo fitsaboana vao tsy tana intsony ny ainy.
« Matetika mihitsy no hitrangana lozam-pifamoivoizana eto amin’ity lalana ity. tokony samy mailo avokoa na ireo mpandeha tongotra na mpitondra fiara vaventy na ny mpitondra moto fa ny aina tsy hananam-piry » hoy i Lovatiana, mponina ao Ambohimangakely.
« Hanaovana fanentanana hatrany ho an’ireo mpampiasa lalana rehetra, indrindra ny mpitondra moto amin’ny fandehanana mafy. Ny loza tsy mampitadrina ka tokony ho mailo mandrakariva » hoy i Dera, mpitondra kodiaran-droa.
Ilaina mandrakariva ny fitadremana sy ny fahamailona eny amin’ny lalana eny. Tsy tokony hatao amabin-javatra indrindra indrindra ny fahaizana sy ny fampiarana ireo lalàna mifehy ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza tahaka izao.
Manitra Ramanantsoa
