ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nifampitaona tamin’ny fanmboarana zaridaina sy fanadiovana ny mponina sy ny kaominina

Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ireo mponina manerena ny fokotany 18 sy ireo mpiara-miasa teo anivon’ny kaominina Ambohimangakely, tamin’ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny fanadiovana sy fanamboarana ireo lalana izay manamorona ny bypass. Hanatsara ny tanàna sy handio ary hanmboatra zaridaina no natao nandritra izany, raha ny voalaza.

« Anisan’ny adidy sy andraikitra izay tokony ho sahanin’ny olom-pirenena tsirairay ny fandraisana anjara ho fanatsarana ny tanàna, amin’ny fanadiovana sy ny fanamboarana zaridaina tahaka izao » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Mbola maro ireo asa fampandrosoana izay miantraika amin’ny fiainana andavan’andron’ny mponina mila fijerena akaiky sy fanamboarana ao amin’ny kaominina. Hanentanana ireo tomponandraikitra mba hijery izany satria anisan’ny laharam-pahamehana ihany koa » hoy i Sylvia, mponina ao Ambohimangakely.

Anisan’ny ilaina tokoa ny hetsika tahaka izao ho fampandraisana anjara sy fampandraisana andraikitra ireo mponina eny ifotony. Zava-poana ihany anefa izao raha tsy misy ny fanaraha-maso ny zava-bita. Ankoatra izay, misy ihany koa ireo sehatra hafa mila jerena manokana ary mila asatana-maro tahaka izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire