ActualitésTatitra

La Réunion : Mahatratra 142 isa ny medaly azon’ny nosy tamin’ny CSJOI

Nikatona omaly ny andiany faha-12 ny CSJOI notontosaina tao amin’ny nosy Maurice. Norombahan’i La Réunion ny amboara tamin’izany rehefa nahazo medaly volamena 57 isa, volafotsy 56 isa ary varahana 29 isa izy ireo. Manarakaraka azy ao kosa i Maurice izay nahazo medaly volamena 46 isa, volafotsy 44 isa ary varahana 48 isa ary i Seychelles kosa no laharana fahatelo tamin’ny fahazoana medaly 35 isa.

Nitondra medaly 142 isa nody ny solotenan’i La Réunion izay efa nigadona tao an-toerana omaly maraina. Raha tsiahivina dia tanora manodidina ny 900 isa 14 hatramin’ny 17 taona, avy amin’ny nosy maro teto amin’ny ranomasimbe indianina no nandray anjara tamin’io fifaninanana io ary 135 tamin’ireo no solotenan’i La Réunion.

Laisser un commentaire