Dépêches

Mahanoro-Marolambo: Mandroso ny asa fanamboarana ny lalana izay mirefy 130km.  

Dépêche 13 décembre, 14h, Ny orinasa MAGIC no nanatanteraka ny fanarenana ity lalana RNT 23 ity izay mampitohy an’i Mahanoro amin’i Marolambo ary mirefy 130km. Efa mandroso ny asa ka efa lalana 40km no efa vita “terrassement” tamin’ny 80km izay vao nosokafana. Efa manomboka ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa handehanan’ny rano (ouvrage d’assainissement: fossés et dalot) ihany koa ankehitriny ny orinasa MAGIC. Miditra amin’ny fanaovana ny « traitement des points noirs » sy fametrahana « chaussée en béton » ary « chaussée pavé et chaussée en empierrement » amin’ny ireo ampahan-dalana tena ratsy koa orinasa. Hitondra tombony betsaka ho an’ireo vahoakan’ny Marolambo izao fahavitana izao izay tsy ho ela dia ho vita tanteraka.

Laisser un commentaire