Toliara: 8 Martsa tao anaty fambolen-kazo
09 Martsa, 09h00. Fambolen-kazo no nentin’ireo fikambanam-behivavy Marozatovo tao Toliara, nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Velaran-tany maro no vita tamin’izany. Ankoatra izay, dia nisy ny fanaovana akanjo mitovy loko sy elo, izay samy fotsy avokoa. Hitohy hatrany ity hetsika ity hoy ny nambaran’ny tompon’andraikitra.
