ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Mitohy ny firaisan-kinan’ireo vehivavy 

Firaisan-kina sy fifankatiavana no nentin’ireo vehivavy ao Talata Volonondry nanamarihana ny fetin’ny vehivavy. Efa nanomboka ny 5 martsa ny fankalazana. Ny fanadiovana ny tanàna no nanombohana izany.

« Tonga maro ireo vehivavy nanatanteraka fanadiovana. Ny firaisan-kina tokoa no hery. Tsy misy hafa fa iray ihany isika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. « Vonona hifanampy hatrany izahay satria vehivavy tia fiarahamonina. Fihetsika tsara sy azo atao fankan-tahaka tokoa izao » hoy i Sabine, mponina ao Talata Volonondry.

Nitohy hatramin’ny 8 martsa ny fiaraha-mientan’ireo vehivavy. Modely azo aseho amin’ny taranaka tokoa ny toy izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire