ActualitésTsidika

Antananarivo Renivohitra : Mitaraina ireo monina amin’ny trano manamorona ny lakan-dranon’Andriantany

Tonga nandrava ireo trano eny amin’ny lakan-dranon’Andriantany ny 9 martsa lasa teo ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Mitaraina ireo vahoaka mipetraka ao noho izany fa sady tsy misy aleha no tsy afaka niomana akory.

« Tsy nisy fampandrenesana sy taratasy akory avy tany amin’ny kaominina talohan’izao. Tonga avy any izy ireo dia nandrava ny tranonay » hoy ireo olona rava trano. « Tokony tamin’ireto mponina ireto vao nanagana ireo trano ireo no niteny ny kaominina. Fa maninona no izao vao mandrava ? » hoy i Rafanomezantsoa Jean Nirina, Filohan’ny Hafari Malagasy. Nisy ihany koa aza ny fandrahonana sy fandrarana ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana nataon’ireo Polisy Monisipaly.

Laisser un commentaire