ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nalan’i Etats-unis tao amin’ny AGOA i Éthiopie sy Mali ary Guinée

Fifanarahana ara-barotra niforona tamin’ny taona 2000 teo ambany fahefan’i Bill Clinton ny AGOA (African Growth and Opportunity Act/ Loi sur la croissance et les opportunités de développement en Afrique). Entina hanamorana sy fifehezana ny sehatra ara-barotra eo amin’i Etats-Unis sy Afrique izy.Nalan’i Etats-unis tao amin’io vondrona io ny 1 janoary teo nefa i Éthiopie sy Mali ary Guinée. Antony ny fandikan’izy ireo ny fitsipika mifehy ny AGOA hoy ny USTR (bureau du représentant américain au Commerce). Nanitsakitsaka nibaribary ny zon’olombelona napetraky ny sehatra irasam-pirenena ireo governemanta ireo, araka ny nambaran’i Etats-Unis, na efa nampitandreman’ny governemantan’i Etats-Unis aza ny volana novambra teo.

Laisser un commentaire