Belgique : Mpanamory fiaramanidina tanora indrindra mitety izao tontolo izao i Zara Rutherford
19 taona monja i Zara Rutherford. Mitety izao tontolo izao irery tamin’ny famoriana fiaramanidina ny tenany. Belgo-britannique i Zara Rutherford, fanamby nataony ny ho lasa mpamory fiaramanidina tanora indrindra nahavita nitety izao tontolo izao.Natombony telo volana lasa teo ny fitetezana nataony tao anatin’ny fiaramanidina Shark UL. Natombony tao Kortrijk-Wevelgem, ao Belgique ny sidina ary nigadona tao Séoul izy ny 11 desambra teo. Novinavinainy ho vita ny krismasy teo kosa ny sidina fitetezan-tany nataony saingy taraiky izany noho ny toetr’andro, indrindra tao Alaska. Kasainy ho faranana ny atsasakin’ny volana janoary kosa izany. Ny hiohatra an’ilay mpamory fiaramanidina avy any Etats-Unis Shaesta Wais, 30 taona nitety izao tontolo izao ny taona 2017 kosa no tanjony, hoy izy, ary efa manakaiky izany ny tenany.
