Gaza : Mitaraina ireo rava trano
Manomboka miverina amin’ny laoniny ny fiainana any Gaza kanefa niteraka olana indray ireo fahasimbana nisy naterakin’ny ady. Maherin’ny 6 000 ireo palestinianina tsy manan-kialofana ankehitriny noho ny baomba nalefan’ny Israelianina. Efa miverina amin’ny asany kosa ireo mpanjono sy mpivarotra maro isan-karazany. Mangataka ny hanamboarana ny toeram-ponenany kosa ireo rava trano. Nilaza i Rab Al Madhoun izay isani’ireo rava trano fa izay nandrava no tokony hanangana ny simba, vahoaka tsotra izy ireo ka manan-jo harovan’ny Firenena mikambana. Ny fanatsaharana ny ady mantsy tsy midika ho fananganana ny simba rehetra. Nisy ihany anefa ny fidinana nataon’ireo delegasiona ao amin’ny Firenena mikambana ny Alahady lasa teo ny amin’ny fanombatombanana ny fahasimbana tany Gaza. Miantso ny tompon’andraikitra ihany anefa ireo vahoaka tsy manan-kialofana mba hitondra vahaolana haingana ho azy ireo.
