Brésil : Voasambotra indray i Rocco Morabito
Voasambotra omaly alatsinainy 24 may i Rocco Morabito, ilay italianina mpanondrana zava-mahadimelina tena hikoizana raha nitsoaka ny fonja any Uruguay tamin’ny jona 2019. Tany amin’ny tanàna Joao Pessoa any avaratra atsinanan’i Brésil no nahatratrarana azy hoy ny tompon’andraikitra. Isan’ireo zatovo karohana fatratra any Italie ity olona tratra ity, satria raharaha iarahan’i Brésil sy i Italie miasa izao fikarohana azy izao. Lehiben’ny « Ndrangheta » i Rocco Morabito, ary mbola misy Italianina iray namany ka mbola tsy fantatra mazava ny momba azy noho izany mbola mikaroka ity farany ny Brésil sy i Italie hoy hatrany ny Polisy Fédeérale any Brésil. Isan’ireo tompon’antoka amin’ny fanondranana zava-mahadomelina tany Brésil nampitohy an’i Europe i Rocco Morabito tamin’ny taona 1990. Neken’ny fitsarana an-tampony ny hisamborana ity lehilahy 54 taona ity, Rocco Morabito izay efa nokarohan’ny fitsarana Italianina nanomboka ny taona 1995 noho ny fanondranana zava-mahadomelina. Voasambotra izy ny taona 2017 tany amin’ny hotely Montevideo, ka nitsoaka ny fonja indray ny 2019, ary izao tratra izao ihany.
