ActualitésTsidika

Startup Week-end : Miandrandra tetik’asa hampiroboroboana ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara 

Araka ny efa fantatra dia hifantoka amin’ny tontolon’ny fanabeazana ny tetik’asa rehetra hivoaka amin’ity Startup Week-end hotanterahina ity. Hitondra ny anjara birikiny hanova ny fomba fampitana fahalalana, ny fenitra ny fanabeazana tsara hananana rehetra ireo mpanderay anjara.

« Raha ny fahita azy dia efa betsaka ny sekoly manabe sy mampianatra eto Madagasikara saingy mbola ny fomba nentim-paharazana hatrany no enti-miady ka zary tsy mifanaraka amin’ny takian’ny fivoarana amin’izao fotoana izao. Izany no antony nahatonga ny safidy ho amin’ny sehatry ny fanabeazana satria miainga amin’ny fanabeazana ny fampandrosoana », hoy i Hasina Razafintsalama, mpikarakara ny hetsika.

« Antsoina indrindra ny tanora satria izy ireo no mety manana hevitra mafonja sy lesoka hita avy tamin’ny fomba fampianarana izay natolotra azy ireo tao anatin’ny fivoaran’ny teknolojia ohatra. Tsy ambakan’izany anefa ireo tanora zokiny ohatra hoe 30 taona. Tsara ny manana ny hevitra maro hahafahana manangana zavatra lehibe. Tsara ihany koa ny mampiady hevitra sy mampifandray hevitra hahafahana mamoaka kalitaon-javatra iray », hoy hatrany ny fanazavan.

Tsy anavahana ny Startup Week-end fa hiantsoana ireo izay manana hetaheta mahakasika ny fanabeazana rehetra. Mandritra ny telo andro ny hanaovana izany ka ao ny ady hevitra no hivoatra hahafahana manolotra sy mamoaka zavatra mendrika ny fanabeazana rehetra eto Madagasikara.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire