ActualitésTatitra

Etats-Unis : Raim-pianakaviana iray no namono mpikambana 7 ny ankohonany talohan’ny namonoany tena

Nisehoana trangam-pamonoana olona sy famonoan-tena indray tao Enoch City ao Utah. Raim-pianakaviana iray 42 taona no namono mpikambana 7 ny ankohonany dia ny zanany 5, ny vadiny ary ny rafozam-baviny. Notifiriny tamin’ny basy izy 7 mianaka ireo talohan’ny nitifirany ny tenany indray.

Raha ny fantatra dia ny mpiray vodirindrina no niantso ny manam-pahefana taorian’ny loza. Fantatra ihany koa toerian’ny fanadihadiana fa Michael Haight no anaran’io raim-pianakaviana nahavanon-doza io, 4 hatramin’ny 17 taona ireo zanany novonoina, 40 taona ny vadiny ary 78 taona ny rafozam-baviny.

Nanameloka ny herisetra mitam-basy matetika ao amin’ny firenena kosa ny tompon’andraikitra Karine Jean-Pierre sy ny governora repoblikan’i Utah Spencer Cox.

Laisser un commentaire