Belgique : Zaza menavava iray no hita tao anaty fako
Zaza menavava iray no hita faty tao anaty fako tao Bruges. Ny mponin’ny tanàna no nahita ny zaza rehefa nanary ny fakony. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany izy ireo ary niezaka namelona ny zaza kosa ireo manam-pahefana rehefa tonga teo an-toerana saingy tsy nahomby izany.
Zazavakely io zaza hita tao anaty fako io raha ny fanazavana. Teo akaiky tranona fianakaviana maro an’isa iray izy no nahitana. Tovovavy iray mpikambana tao amin’io fianakaviana io no heverina ho renin’ny zaza. Nosamborina ary notanana am-ponja vonjimaika ity farany manoloana ny tranga.
Efa manatontosa fizahana ny razan’ny zazakely kosa ireo tompon’andraikitra hamantarana ny antony nahafaty ny zaza.
