Ambohimanambola : Toerana manan-tantara sy manana ny fombany i Ambohibato
Vohitra iray ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola I Ambohibato. Manana ny lazany na ara-tantara na ara-pomba na ara toe-tany izy izay tsara ny hahafantarana azy. Anisan’ny vohitra tranainy amin’ny fototry ny tantaran’ Imerina sy ny fomban-drazana, Ambohibato. Ny Mpanjakavavy Rangita sy Rafohy no nametraka azy ho isan’ny vohitry ny fomba amam-panao tamin’ny fotoana androny, araka ny voalaza.
« I Andrianandritany, zanakandriana avy any Arivonimamo, zanak’Andriamasoandro Mpanjakan’ Arivonimamo no tonga teto voalohany tamin’ny andron’ny Mpanjaka Andriamanelo. Tsy nisy olona nonina tety tamin’izany fotoana fa toerana fiantsoana an’ Andriamanitra sy ny razana teto, mitodika miantsinanana izy. Teto no nanaovana ny fomba mampalaza ireo mpanjaka fahiny dia ny famoranjaza ka dia teto no nanaovana ny famorana ny zanak’ Andriamanelo dia i Ralambo izany » hoy ireo mpahay tantara.
« Ny zanak’ Andrianandritany atao hoe Andrianjohy no misitrika eto an-tampon’ Ambohibato fa izy kosa ery Ambohitrony ery andrefan’ Ambohibato. Tsy niakaram-behivavy ny vohitra sy ny fasana, tsy azo hiakaran’ akoho ihany koa fa mandrangotra fanjakana, ny voanjobory hiarovana amin’ny famosaviana » hoy hatrany ny fanazavana.
Vohitra masina araka izany ny vohitr’Ambohibato, tao an-toerana avokoa no nanaovana ny famorana ny zanakandriana isaky ny 7 taona. Any amin’ny 12km miala an’Antananarivo moa no misy azy, izay mian’avaratra atsinanana.
Manitra Ramanantsoa
