Feno 10 taona ny fikambanan’ireo vehivavy manana fahasembanana
Faritra 19 eto Madagasikara izao no efa manana mpikambana ao amin’ny Fikambanam-behivavy manana Fahasembanana na ny AFHAM izay mankalaza ny faha 10 taonany amin’izao. Ny AFHAM no mandray an-tanana an’ireo vehivavy tra-pahasembanana amin’ny alalan’ny fiofanana, fandraisana an-tanana sy fihainoana ary toro-lalana.
« Zava-dehibe ny fisian’ny fikambanana tahaka izao mba tsy ho vesatra ho an’ny fiaraha-monina ny fisian’ireo olona manana fahasembanana ka afaky ny ho hahaleo tena amin’izay, ary hihena manaraka izany ny herisetra na ara-batana na ara-moraly mpahazo ny vehivavy sembana » hoy i Zarasoa, tanora vehivavy mpandraharaha. « Efa mahatratra 600 mahery izao ny vehivavy ao anaty fikambanana ankehitriny ary tanjona ny fampaleovan-tena an’ireo vehivavy manana fahasembanana amin’ny alalan’ny fampanan’asa » hoy i Razafinjato Fela, Filoha mpitarika ny fikambanana. « Adidin’ny Ministeran’ny mponina ny miahy an’ireo olona manana fahasembanana ka vonona tanteraka ny Ministera hanohana amin’ny torohevitra sy amin’ny fampivoarana ary ny fitandrovana ny zon’izy ireo » hoy ny Minisitry ny mponina, Soafilira Princia. Ny manana fahasembanana aza izany afaka miasa tsara maika fa ny tanora ao anatin’ny fahatanjahana.
Tsy voatery hiandry izay asa toloran’ny fanjakana fa midira amin’ny resaka fandraharahana izay miainga amin’ny eo am-pelatanana izay tsy voatery ho vola fan a talenta sy fahaiza-manao aza.
Nicole Rafalimananjara
