ActualitésSocialTsidika

Avaradrano: Ny fandaharam-potoana ho an’ny tsena fitaovam-pianarana mora atolotry ny vehivavy MMM

Ao anatin’ny fotoana fanomanana ny fidiran’ny mpianatra ankehitriny ny ray amandrenin’ny mpianatra. Raha jerena ny vidin’ireo fitaovam-pianarana eny an-tsena, nahitana fiakarana izany mihoatra ny taon-dasa, izay mampitaraina ny ankamaroan’ny ray amandreny mampiana-janaka. Ho fanampiana ireo ray amandreny izany, dia nanomboka tamin’ny herinandro teo ny tsena VMMM Analamanga, araka ny voalaza.

“Tahaka ny efa fanao isan-taona dia manome fanohanana sy fanampiana hatrany ny ray amandrenin’ny ny fikambanana Vehivavy MMM, Malagasy Miara-Miainga, ka ho avy eny anivon’ny kaominina tsirairay eto amin’ny faritra Analamanga sy ny manodidina ny tsena fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana.

“Tena mahavonjy amin’izao fotoan-tsarotra, mahalafo ny vidim-piainana izao ity tsena izay atolotry ny fikambanana ity. Hisaorana ny tomponandraikitra manolotra izany satria efa andrasan’ny mponina isan-taona izy io. Manamaivana ny vola mivoaka aminay ray amandreny amin’ny fidiran’ny mpianatra izao” hoy i Pauline, renim-pianakaviana.

Marihina moa fa efa nanomboka ny 12 Aogositra ity tsena VMMM Analamanga ity. Ho an’ny anio dia ny kaominina Manandriana, Ambohitrimanjaka ary Imerintsiatosika no hisitraka izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire