ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisy ny hetsika « opération kopia faobe » izay karakarain’ny kaominina

Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fanatanterahana ny  hetsika « opération kopia faobe », izay hetsika hanomezana kopia maimaim-poana ho an’ireo tsy mbola manana izany, ny kaominina Ambohimanambola.  Misy ny fisoratrana anarana, izay tsy maintsy atao eny anivon’ny biraon’ny kaominina, ho an’ireo izay te hisitraka izany, raha ny voalaza.

« Natao indrindra ho an’ireo izay tsy manana kopia ity hetsika ity. Amin’izao fotoana izao, efa azo atao ny misoratra anarana ao amin’ny kaominina, varavarana faharoa, isanan’andro manomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 3 ora tolak’andro » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fampahafantarana ireo mponina any amin’ny isam-pokontany amin’ny hetsika tahaka izao. Maro amin’ireo mponina any ambanivohitra no mbola tsy manana izany ka anisan’ny zava-dehibe ny fampahafantarana azy ireo ny fisian’ny hetsika tahaka izao » hoy i Riana, momba ny fiaraha-monina.

Marihina moa fa manam-petra fisoratana anarana amin’ity hetsika ity. Entanina araka izany ireo tsy mbola manana kopia, hanantona hisoratra anarana eny anivon’ny kaominina. Mifarana ny 21 Novambra izany fisoratana anarana izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire