ActualitésTsidika

Alasora : Niroso tamin’ny fanoloana ireo jiro maty ireo avy amin’ny jirama

Niroso tamin’ny fanoloana ireo takamoa maty, teny amin’ireo andrin-jiro, tao amin’ny kaomininina Alasora, ny tomponandraikitra avy amin’ny jirama, ny faran’ny herinandro teo. natao izany mba hiatrehana am-pahazavana ny fetin’ny noely sy faran’ny taona, araka ny voalaza.

“Hisaorana hatrany ny avy amin’ny orinasa jirama amin’ny fiaraha-miasa, ho fanazavana ny tanàna eto Alasora. Hirariana hitohy hatrany ny ezaka ka tsy hisy intsony ireo faritra maizina, ka ho mandry fahalemana ny tanàna” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Mbola maro ireo faritra maizina sy tsy misy jiro amin’ny fokontany maro eto an-toerana. Angatahana amin’ny tomponandraikitra mba hijery izany akaiky satria antoky ny fandriam-pahalemana ny fahazavan’ny tanàna. Ny fety ihany koa efa manakaiky amin’izao fotoana, maro ireo olona hivezivezy ka tokony, indrindra amin’ny alina ka tokony hametrahana izany ireo toerana be mpandalo sy ny elakelan-trano” hoy i Mino, mponina ao Alasora.

Raha tsiahivina, tetikasa avy amin’ny fitondram-panjakana ny fametrahana ny jiro manazavana ny tanàna, izay napetraka isaky ny fokontany ary niaraha-niasa tamin’ny jirama. Mbola maro anefa ny faritra tsy mbola nisitraka izany raha tao Alasora, ka mbola maizina tanteraka. Miandry ny fahatongavan’ny hazavana araka izany ny mponina.

Laisser un commentaire