ActualitésTsidika

Anjeva: Maro ireo liana tamin’ny hetsika varavarana misokatra momba ny fananan-tany

Notanterahina ny alatsinainy teo, sy omaly talata 12 desambra 2023, ny hetsika varavarana misokatra mahakasika ny fizahan-tany, izay notanterahan’ny “Tantsoroka Zo Fananan-tany”, niaraka tamin’ny kaominina Anjeva gara. Maro ireo olona tonga nanatrika ity hetsika ity ary tsapa tamin’izany ny fahalinan’ireo mponina momba ny fananan-tany, araka ny voalaza.

“Nisy ny fanomezana torolalana ho an’ireo tonga nanatrika ny hetsika, hamahana ireo olana mahakasika ny fananantany. Teo ihany koa ny tan-tsoroka fanampiana ireo marefo amin’ny fampiakarana ny raharaha adin-tany eo anivon’ny Fitsarana sy hanamorana ny fisitrahana ny zo fanantany. Fanampiana sy torohevitra maro avy amin’ireo manam-pahaizana mahakasika ny lalàna sy ny fananan-tany dia ireo mpisolo vava sy mpitsara” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra mpikarakara ny hetsika.

“tena ilaina ny hetsika tahaka izao. efa maro ireo endrika fisolokiana sy fangalarana tany amin’izao fotoana ka maro ireo Malagasy milefitra sy voatery miala amin’ny taniny noho ny tsy fahalalàna ka hisaorana ny tomponandraikitra. Angatahina ihany koa mba hitohy izany na hisy matetika” hoy i Rolland, mponina ao Anjeva gara.

Mbola olana lehibe, indrindra ho an’ireo eny ambanivohitra ny fikarakarana momba ny fananan-tany na ny taratasin-tany. Izany indrindra no anisan’ny tanjona amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao mba hanorona sy hanampiana ny mponina amin’ny fisitrahana ny zo momba ny fananan-tany.

Laisser un commentaire