PolitiqueTatitra

Pakistan :nisy fanafihana namono tena tamin’ny tranoben’ny miaramila iray nahafaty olona manodidina ny roapolo

Fanafihana mahafaty tao Pakistan. Raha kely indrindra dia olona 23 no maty tamin’ny Talata 12 Desambra, tamin’ny fanafihana famonoan-tena tamin’ny tranoben’ny miaramila iray mifandray amin’ny Taliban Pakistani, hoy ny tompon’andraikitra iray izay tsy nitonona anarana.

Tamin’ny misasak’alina no nitrangan’ny fanafihana tao amin’ny distrikan’i Dera Ismail Khan ao amin’ny faritanin’i Khyber Pakhtunkhwa, akaikin’ny sisintany amin’i Afghanistan faritra iray .Nitombo ny fanafihana tato anatin’ny volana vitsivitsy.

« Betsaka no maty teo am-patoriana ary nanao akanjo sivily ka mbola miezaka ny hamantatra raha miaramila daholo izy ireo, hoy ny tompon’andraikitra tamin’ny AFP nanome ny hisa. Raha kely indrindra dia olona 27 no naratra, hoy izy.

Laisser un commentaire