Centrafrique : Nisokatra ny fanadihadiana mahakasika ny miaramila voasambotra
Miaramila efatra avy ao amin’ny « Légion étrangère de l’armée française » miaramiasa amin’ny ONU no voasambotra teo amin’ny seranam-piaramanidin’i Bangui ny alatsinaniny teo. Nohelohina tao amin’ny tamba-jotran-tserasera nikasa namono ny filoha, Faustin-Archange Touadéra ireo miaramila ireo no anton’izany fisamborana izany.Misokatra kosa ny fanadihadiana hoy ny mpampanoa lalàna ao Bangui, Laurent Lengande. Raha ny fanazavana nentiny dia teratany française, italienne, roumaine ary bulgare ireo miaramila ireo ary nivezivezy tamin’ny fiara tsy nisy mariky ny ONU. Nahitana fitaovam-piadiana maro ihany koa iaraka tami’izy ireo, basy poleta « automatique » efatra, « fusils d’assaut », « mitrailleuse » telo ary grenady maromaro. Ankoatra izay dia 30 metatra ny miala ny lalana fandalovan’ny ny filoham-pirenena no nahitana azy ireo. Efa 2 volana ihany koa no narahina maso akaiky ny fiaran’ireo miaramila efatra ireo.Nandà izany fanamelohana izany nefa ny ONU. Nanazava izy ireo fa nanatitra jeneraly frantsay vy amin’ny tafika misahana ny fandriam-pahalemana ao amin’ny Firenena Mikambana (Minusca) teny amin’ny seranam-piaramanidina ireo lehilahy efatra ireo ary tsy manam-pikasana hamono ny filoha.
