Mitohy ny asa fanamboarana ny RN44
« Afa-po amin’ny kalitaon’ny asa izahay » hoy i Hajo Andrianainarivelo, Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, niaraka tamin’ny solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena mpamatsy vola ny tetik’asa, Marie-Chantal Uwanyiligira. Ireto farany izay tonga nitsidika ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny faran’ny herinandro teo.
Misy fahatarany kosa nefa ny fanatanterahana ny ampahany faharoa amin’ny asa izay tokony hiainga eo Amboasary mipaka ao Voidihala. Raha tsiahivina dia efa 66 % ny asa ampahany voalohany no vita izay miainga eo Marovoay hatreto Amboasary. « Hiezaka ny orin’asa hanatratra ny fahatarana mba hahavitan’ny terrassement amin’ity ampahany faharoa ity mialohan’ny faran’ny taona 2021 » hoy ny tompon’andraikitra. Efa miandry ny fanatontosoana izany ihany koa ny mponina ao an-toerana, « efa ela mihitsy izahay no niandry ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa toy izao, mankasitraka izahay na dia maharitra kely aza izany » hoy ny mpandraharaha amin’ny fitaterana.
Hasina Rasamimanana
