ActualitésTsidika

Masindray: Nisy ny fanamarihana ny andiany voalohany amin’ny hetsika “Asandratsika Masindray”

Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanamarihana ny fankalazana ny andiany voalohany amin’ny hetsika “Asandratsika Masindray”, tao amin’ny kaominina Masindray. Santatr’asa sy sy fampahafantarana ny mponina no natao nandritra izany, raha ny voalaza.

“Tety amin’ny Tranobe an-tampon’i Tsarahonenana no nanombohana ny fotoana, izay nentina nanamarihana ny santatr’asan’ny andiany vaovao amin’ny hetsika asandratsika Masindray. Tamin’izany no nangataham-pitahiana tamin-Janahary sy nifampitsofan-drano. Nomarihina tamin’ny fanapahana kofehin-damba teo Maheninarivo ny Santar’asa avy eo” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

“Mbola maro ireo asa fampandrosoana mila ahetsika ety an-toerana. Izany indrindra no handrasana amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny satria miainga ety ifotony ny fampandrosoana rah ate hitondra fanandratana ny kaominina; izany hoe mila jerena avokoa ireo lafin-tsehatra misy, indrindra ny fiveloman’ny mponina” hoy I Manda, mponina ao Masindray.

Nisy ihany koa moa ny fizarana fanomezana ho an’ireo mponina tao an-toerana nandritra ity fotoana ity.

Laisser un commentaire